Andao hiaraka amin’ny namana koreanina!

Ny “EoSeoWa” dia fomba iray avy any Korea iarahabana ny namana akaiky hoe “Tonga soa” na “Mandrosoa”. Tsy vitan’ny hoe manokatra varavarana dia mampandroso olona fotsiny izy io, fa fanehoana ny hafanam-po sy fiandraisana akaiky ihany koa anefa. Tianay hozaraina aminareo am-pitiavana ny fomba sy ny fiainana andavanandron’ny koreanina afahanareo miaina an’izany ihany koa.

Fampahafantarana ny fomba koreanina amin’ny fomba mahafinaritra toy ny any an-tranon’ny namanao

Izahay dia hizara sy hampahafantatra anao ny sakafo, ny fomba fiainana sy ireo kolontsaina maro isan-karazany misy any Korea. Afaka mankafy ny kolontsaina koreanina ianao ary afaka miaina an’izany mihitsy amin’ny fiainanao andavanandro. Ka noho izany dia manantena izahay fa sady ho feno no hahafinaritra kokoa ny andavanandronao.

Isaky ny mandondona varavarana ianao dia

EoSeoWa, fiantombohana vaovao izany

Ny EoSeoWa dia vonona ny ho lasa namanao akaiky no sady vonona ny handray hanao am-pitiavana isaky ny mandondona ny varavarany ianao. Ny EoSeoWa dia tsy midika hoe fanokafana varavarana sy fandraisana tsotra fotsiny, fa fanasana am-pitiavana ho anao ahafahanao mihaona aman’olona sy manandrana zava-baovao!

Dondony ny varavaravana dia hiaina zava-baovao ianao, EOSEOWA!

<aside> <img src="/icons/priority-mid_orange.svg" alt="/icons/priority-mid_orange.svg" width="40px" />

Ny lalana nodiavin’ny EoSeoWa

2025

</aside>